High resolution selected photos, showing various aspects of the Island Madagascar.
Experience has proven these ebooks really useful, a definite must for you
We offer you an affordable professional web design and programming service.
Make an important saving by outsourcing time consuming and boring tasks
You can discover here the beauties of the nature in Madagascar, unique in the world
Courgeous and hospitable
Salamo 119:105 |
---|
NONA. Fanilon’ny tongotro Sy fanazavana ny làlako ny teninao. |
Fampianarana Soratra Masina
.... tohiny ....
Hoy i Mama indray mandeha, raha nisy olona iray niresaka taminy ka nilaza ny fikasany mba hanoratra ny tantarany :
""" Misaotra indrindra, tompoko! Misaotra, tompoko! Efa ela no naniriako ny mba hanoratan'ny olona io tantara io, fa iaho moa dia tsy mba mahay manoratra, sady raha izaho no milaza ny tenako dia tsy marina ny fanambarako. Koa misaotra anareo indrindra.
Tena faly Jesosy ary faly tokoa aho. Mitsodrano hahavita soa, tompoko, ary ho vita io."""
Zava-dehibe tokoa io teny io, koa dia haroso antsika eto izany tantara izany, ho fanampin'ireo tantara efa navoaka boky.
Tamin’ny fahatsiarovana ny Andro Niakaran’i Jesosy Kristy ho any an-danitra, tamin’ny taona 1941, dia niainga ny Katekista Petera (izay niasa tao Vohidravy hatramin’ny taona 1947 nahafatesany), nankany Ankaramalaza mba hamangy an-dry Volahava (Nenilava izany).
Rehefa tonga tao izy dia nitarika fotoam-pivavahana, ary dia nafana tokoa ny fony tamin’io; satria izy dia efa nandre ny feo namohazan’ny Tompo azy hatramin’ny voalohandohan’ny volana Mey 1941 izay naniraka azy hoe : “Mitsangàna, mitoria ny Filazantsara eny tontolo eny, ary avoahy ny demonia; miasà, aza mangatak’andro, ….”.
Nandritra ny fotoam-pivavahana anefa dia tonga tamin’i Nenilava koa io feo io (izay efa henony ihany taloha tany); ka taitra izy, tsy nahatombina tao an-trano ary mbetika nivoaka hanari-dia tany alatrano satria navesatra taminy ilay feo miantso sy maniraka azy mba hanomboka ny asan'ny Tompo; satria "tonga ny fotoana hankalazana ny Zanak'olona ao amin'ny faritanin'ny Matitanana sy Ambahive" (renirano roa mandalo eo akaikin' Ankaramalaza ireo).
Taorian'io dia nitomany i Nenilava ary tsy nety nihinan-kanina nandritra ny herinandro sady tsy niteny raha tsy tamin'ny fiteny tsy fantatra ihany.
Tsy noana sady tsy reraka anefa izy na dia tsy nihinana toy izany aza, ary namaky matetika ny bokin'ny Apokalypsy, sady tia mihira ilay hira faha-283 ao amin'ny fihirana FFPM manao hoe : "Manan-jara ry Jesosy ny mpanomponao, izay natokanao hitondra ny anaranao".
Na dia izany aza dia tsy mbola nanomboka niasa i Nenilava raha tsy tamin'ny Alarobia 01 aogositra 1941. Tamin'izay dia noteren'i Jesosy mihitsy izy, ka natosiny avy tao an-damosiny mba handroaka ny demonia tao amin'ny zanak'i Mosesy Tsirefo, vavy faharoa.
Hatramin'izay dia nifanatona matetika i Mama Volahavana Germaine (23 taona izy tamin'izay) sy ny Katekista Petera; ka nanomboka namangy tokantrano sy Fiangonana tao anatin'ny Fitandremana Lokomby.
Niaraka taminy koa ny Katekista Mosesy Tsirefo izay niasa tao Nato saingy nipetraka tao Ankaramalaza. Io Mosesy Tsirefo io (maty tamin'ny 14 oktobra 1949) no olona sahy nipetraka tao Ankaramalaza voalohany, satria toerana natahoran'ny olona fatratra izy io, fa nisy fanahy ratsy; koa dia nangatahin'i Mosesy tamin'i Malady (rain'i Volahava) mba hamboleny kafé, sady nonina tao koa izy na dia any Vohimary aza (Matitanana ambany) no tena fihaviany.
Ny asa nataon-dry Mama tamin' izany dia fitorian-teny sy famoahana demonia ary fametrahan-tanana izay niteraka fibebahana sy fanafahana tamin'ny olona maro.
Nandroso tokoa ny asa sady nitombo laza, hany ka re hatrany Vohipeno; ka nahavaky volana ity Pastora anankiray hoe: "Pastora izahay, ary nandalina ny teolojia; nefa gaga aho mahita izato asa tsotra nefa mampibebaka sy mahababo fo, nampanaovin'ny Tompo ireto mpanompony ireto. Mangoraka ny foko mahita ireto ondry andrasako miaky heloka sy latsa-dranomaso ary miova fo.....".
Raha nahare izany ny Pastora Rajaona (Pastoran'ny Stasiona) sy ny Misionery Norveziana antsoina hoe Lystad , mpitondra Distry tao Vohipeno dia nampiantso azy ireo mba hitondra fanazavana.
Tonga tokoa ry Mama, ka nanazava ny asa ataony sy ny niandohan'izany; ary dia navela malalaka hanohy ny asa izy ireo sy handeha manerana ny Fileovana Vohipeno manontolo, izay misy ny Fitandremana Andemaka, Onjatsy, Lokomby ary Vohipeno.
Nitohy hatrany ny asa nandritra ny taona 1942 sy 1943. Tamin'io taona 1943 io dia efa lasa lavitra tokoa ny asa ka nahazo ny Fitandreman'Ilakatra, dia tany Efatsy (faritanin'ny Zanasirana), Savàna, Vohimary, Ampasimeloka ary tafapaka hatrany Manakara mihitsy.
Ny vokatr'izany dia lasa nihamatetika kokoa ny dia, hany ka tsy afaka nandeha intsony ny Katekista Petera nohon'ny asa fivelomana sy ny tokantranony; koa dia i Mama sy Mosesy, izay antsoina hoe koa Iabanialina, no sisa nanohy ny asa.
Nisy anefa tanora maro izay niaraka tamin'izy ireo tany amin'ny tafika masina, ary nanaraka hatrany Ankaramalaza ka mipetrapetraka ao herinandro na tapabolana vao mody.
Lasa trano Fiangonana hoazy ny tranon-dry Mama tao Ankaramalaza (tsy nisy afatsy trano roa ihany tao tamin'izay).
Ny tena trano Fiangonana anefa dia tonga tao Ankaramalaza tamin'ny taona 1959. Io dia ilay Fiangonana avy any Mandrondra (tanàna 1km avy eo Ankaramalaza, any no tena fihavian'i Mama, 50 tafo).
Tena hita sy azo tsapain-tanana mihitsy ny herin' Andriamanitra niasa tamin'izany fotoana izany, ary maro ny olona milaza fa nahita afo na tselatra hafahafa teny amin'ny habakabaka, ao ny mandre feon-dakolosy na trompetra, hira mahafinaritra sy miraondraona kosa no ren'ny sasany.
Nijanona avokoa anefa ireo taty aoriana satria ny fahagagana moa dia lalana hitarihana ny olona fotsiny, fa tsy ireny akory no tena zava-dehibe, fa ny Tenin'Andriamanitra ihany.
Nahafaly tokoa ny vokatra azo tamin'izany asa voalohandohany izany, satria dia kristiana maro, renoka tao amin'ny torimasom-panahy nandritra ny fotoana lava, no tonga nifoha; ao ny demoniaka sitrana ary tsy vitsy koa ny jentilisa sy ombiasy izay resy lahatra ka niditra ho kristiana ary nanolotra ny ody sy sorabe nampiasainy mba hodorana.
Maro koa ny tanora tapa-kevitra ny handao mihitsy ny asa fivelomany ka nirotsaka ho mpiasam-piangonana, tao ireo izay nandeha nianatra tany amin'ny Sekoly Biblika tany Vangaindrano sy tany Ivory Fianarantsoa niomana ho Pastora.
Nantsoina hoe "zanaky ny fifohazana" izy ireo tamin'izay ary nandoa adidy ho fanampiana ny Distry Vohipeno avy amin'izay vola voaangona isam-pivoriana.
Taty aoriana aza dia nanapa-kevitra mihitsy ny Distry Vohipeno fa ny isan-taonan'ny fifohazana manerana ny Fileovana manontolo dia hotontosaina isaky ny 1 – 2 aogositra isan-taona.
Singanina manokana amin' izany ilay isan-taona natao tao Lokomby tamin'ny 1 – 2 aogositra 1955:
- Ny faneva dia ny Marka 16.15
- Ny toriteny nataon'i Mama dia nalaina avy ao amin'ny Jaona 20.18-23
- Ny isan'ny mpivory dia nahatratra 422
- Ny fanatitra nomen'ny mpivory dia nitontaly ho 18.910 F.
Tapatapany amin'ilay toriteny nataon'i Nenilava :
..... Manome fofon'aina Jesosy, fa reraka ny mpianany, asian'ny tahotra, lemen'ny ahiahy.
Mila ho ritra ny ainy, darofan'ny hasasarana, atambolimbolin'ny tafio-drivo-panenjehana.
Jesosy mahita izany, dia manatona manome fofon'aina: "Raiso ny Fanahy Masina".
Fofon'aina madio, mahafinaritra, ahazoana hery.
Raiso ny Fanahy Masina, ka dia "mandehana mitoria ny Filazantsara". Didy io teny io. ....
![]()
|
![]()
|
![]()
|