High resolution selected photos, showing various aspects of the Island Madagascar.
Experience has proven these ebooks really useful, a definite must for you
We offer you an affordable professional web design and programming service.
Make an important saving by outsourcing time consuming and boring tasks
You can discover here the beauties of the nature in Madagascar, unique in the world
Courgeous and hospitable
Salamo 119:105 |
---|
NONA. Fanilon’ny tongotro Sy fanazavana ny làlako ny teninao. |
Fampianarana Soratra Masina
.... tohiny ....
Faneva : « Fa ny fahitana dia mbola ho amin’ny fotoan’andro. Ary mikendry ny farany izy ka tsy ho diso. Eny, na dia mitaredretra aza izy, andraso ihany fa ho avy tokoa izy ka tsy hijanona » Habakoka 2.3
Isaorana an’Andriamanitra manokana ny nanomezany teny faminaniana tamin’ny alalan’ny mpanompony Mama Volahavana Germaine, mpaminanivavy teto Madagasikara, izay naseho ny fanokanana azy tamin’ny taona 1983, sady tsy isalasalana fa tena teny avy amin’i Jesosy Tompo mivantana mihitsy no nambarany.
Anisan’izany, ny teny mikasika ny fiorenan’ny Tobim-pifohazana ao Tsihombe izay natrehin’ny vavolombelona maro, ny sasany amin’ireo mbola velona ankehitriny, izay horesahina eto ny fiandohany sy ny fahatanterahany.
FIZARANA VOALOHANY : SILOAMA
Tamin’ny taona 1963 dia nanao famangiana voalohany tany amin’ny faritra atsimon’ny Madagasikara i Mama Volahavana vokatry ny fanasan’i Pastora Oliver Carlson, Misionery Amerikana azy.
Tamin’io dia io, dia nilaza izy fa Jesosy dia hanorina tobim-pifohazana ao Tsihombe.
Tamin’izany fotoana izany dia Pastora Leonard Jacobson no mpitondra Distry tao an-toerana sady Talen’ny Sekoly fanofanana katekista 12 lahy.
Taty aoriana anefa dia rava ny 12 lahy ka lasa nankany amin’i Mama tany Ankaramalaza i Pastora Jacobson mba hangataka hahazo hanorina ny Toby satria misy tany sy trano efa vonona azo ampiasaina.
Tanteraka soa aman-tsara izany tamin’ny taona 1973 ka ny trano nisy ny 12 lahy ihany no nametrahany ny Toby ; eo amin’ny tany mirefy 356m x 104m , ao anatin’ny Stasiona ihany, ao Ambatosoa.
Ary dia nanao antso avo izy mba hisy mpiandry, hanolo-tena hokaramaina hanao ny asan’ny mpiandraikitra Toby.
Nanolo-tena tamin’izany i Tsiavaro Stefana, katekista misotro ronono sady mpiandry fanta-daza nohon’ny fanomezan-pahasoavana manokana nomen’Andriamanitra azy.
Rehefa izany dia notokanana ny Toby tamin’ny fomba manetriketrika, notarihin’i Pastora Robena Mananjara, filoha lefitry ny Synodam-paritany SPTo, sady nomena ny anarana hoe Siloama.
Nandroso tsara ny Toby ka nitaizana olona, nanasitranana marary ary nanokanana mpiandry ihany koa.
Anisan’ny mpiandry natokana voalohany tao i Fenoandro Josefa Petera izay lasa Pastora taty aoriana sady Tonian’ny Firaisan’ny Fifohazana Loterana am-perin’asa ao amin’ny SPAA.
Ny fanokanana dia isaky ny 16 Septambra isan-taona tamin’izany fotoana izany,
FIZARANA FAHAROA : FAHARAVAN’NY TOBY SILOAMA
Efa hatramin’ny voalohany, na dia sitraky ny Tompo tokoa ny fiorenan’ny Toby ao Tsihombe, ny toerana misy azy kosa anefa dia tsy sitrany.
Izany teny izay dia efa nolazain’i Mama Volahavana mivantana tamin’i Pastora isany Jacobson sy Carlson mpanorina, ary ny mpiandry Stefana Raiamandrenin’ny Toby.
Mbola naverin’i Mama izany teny izany tamin’i Pastora Manjomana Sylvain tany Ankaramalaza, namonjy fanokanana tamin’ny volana Jolay / Aogositra 1983.
Toy izany koa, tamin’ireo solontena nalefa hihaona tamin’i Mama teny Faradofay tamin’ny volana Janoary 1984 ; dia mpiandry isany Marka Mahasolo, Damy Zakaria mivady, Tsiavaro Stefana, Refamera Gabriel, Fenoandro Josefa sy ny maro hafa koa izay nandeha an-tongotra niala avy tany Tsihombe ( 170 km).
Mbola tsy kivy ny Tompo, ka dia mbola namerina io teny io ihany koa tamin’ny volana Novambra 1988 (Jobily faha 100 taonan’ny SPTo tamin’izay) tamin’ny Pastora isany Marijaona Tsifolahy Filohan’ny FiFiL SPTo, Rempolia Soandro Manoasy Filohan’ny SPTo, Zakaria Tsivoery mpanoratra ny boky tantaran’i Mama Volahavana sady Pastoran'ny Toby Nenilava Faradofay, ary Manjomana Sylvain Mpitondra Fileovana Beloha.
Ireo rehetra ireo dia samy nandre mivantana ny teny nolazain’i Mama Volahavana ny amin’izay toerana sitraky ny Tompo hisy ny Toby ; nefa noho ny antony maro samihafa dia samy tsy nisy afaka nanatanteraka izany.
Ary dia rava ny Toby Siloama tao Ambatosoa nohon’ny fitondran-tena tsy mety nataon’ny raiamandreny Stefana ; ka nahapotraka azy tsy ho mpandray ny fanasan’ny Tompo tamin’ny taona 1985.
Nitsahatra avokoa ny asa rehetra tao amin’ny Toby toy ny fitaizana, fivoriana, fanokanana mpiandry ary naharitra hatramin’ny taona 1997 izany.
Marihina fa ny toerana tian’i Jesosy hisy ny Toby dia tany malalaka, afaka hipetrahana sy hambolen’ny mpiandry rehetra, satria ny mpiandry dia tsy mikarama.
Notondroiny tamin’izany ny tany « atsinanan’ny hôpitaly » ; saingy nohon’ny fitavozavozana teo am-panatanterahana dia efa feno olona sahady io ; sady nanorenana ny CEG sy ny misiona katolika koa.
Taty afara dia novainy ho « tandrifin’ny tetezana Manambovo, eo anelanelan’ny lalana ho any Marovato sy ny lalana ho any Faux Cap, tany mahavokatra, lavitra, tsy misy rano ».
FIZARANA FAHATELO : TOBY MAHATSINJO
Nalahelo mafy ny kristiana maro tao Tsihombe nohon’ny faharavan’ny Toby Siloama izay naharitra am-polo-taonany; ka dia niantso fivoriana mba hanirahana solon-tena hihaona amin’i Mama Volahavana any amin’ny Toby lehibe Ankaramalaza, mba hangataka mpiandraikitra vaovao.
Tapaka tamin’ny fivoriana àry fa hafindra ny Toby.
Kanjo rehefa nangatahina ny tany hamindrana azy dia tsy nanaiky ireo tompon-tany, ka dia tsy tanteraka indray ilay famindrana.
Noho izany dia voatery nandray andraikitra ny komitin’ny Fileovana hamerina ny Toby ho eny Ambatosoa indray.
Nalefa tany amin’ny Synoda io fanapahan-kevitra io ka dia nekeny.
Nampahafantarina an’i Mama Volahavana ilay fanapahan-kevitra, ka dia hoy izy : « ekeo ihany aloha mandra-panatanterahan’i Jesosy ny Azy ».
Ireo solon-tena nirahina hihaona amin’i Mama tamin’ny taona 1993 ireo, anisan’izany i Minee Elisabeth, dia nitondra anaran’olona telo mba hanendrena izay ho mpiandraikitra vaovao, ho raiamandrenin’ny Toby dia ireto avy : Mpiandry isany Vitamana Armand, Marka Mahasolo ary Refamera Gabriel .
Rehefa nivavaka i Mama dia nilaza fa « tsy misy amin’ireo ; fa kosa misy mpiandry mivady, katekista tao Faux Cap taloha, mainty fihodirana, Damy Zakaria no anarany. Io no tendren’i Jesosy hiandraikitra ny Toby. Ary ny Toby dia hitondra ny anarana hoe Mahatsinjo ka ny teny anorenana azy dia ny Romana 8 sy ny Efesiana 4. 1-14. Tsy ao Tsihombe izy amin’izao fotoana izao nefa hiverina ao tsy ho ela ».
Rehefa tafaverina tokoa mpiandry Damy Zakaria ka nandre ny fanendrena azy dia nanapa-kevitra ny hiakatra ho any Ankaramalaza mihitsy mba hihaona mivantana amin’i Mama.
Tanteraka izany tamin’ny 29 Jolay 1996 tao Ankaramalaza ka nambaran’i Mama taminy fa « ny Toby Mahatsinjo dia ho Toby salasalany izay hitsaboana marary saingy tsy hanokanana kosa ; fa any aoriana any dia hovain’ny Tompo ho Toby Lehibe izay hanakoako eran-tany ny lazany ».
Koa dia nanaiky ry Mpiandry Damy Zakaria mivady mba hanohy ny asa, ary dia napetraka tamin’ny toeran’ny mpiandraikitra tamin’ny fomba ofisialy tamin’ny 23 Marsa 1997.
Velona indray ny Toby nanomboka teo ary nandray marary. Nahatratra 140 ny marary sitrana tao anatin’ny telo taona monja.
Ny fivoriana isan-keritaona anefa dia mbola tsy tafaverina raha tsy folo taona taty aoriana , tamin’ny 09-15 Febroary 2007.
FIZARANA FAHEFATRA : SALEMA
Rehefa nitarazoka toy izany ny fanatanterahana ilay Toby Lehibe kasain’i Jesosy haorina ao Tsihombe dia notairin’ny Fanahy Masina ny mpiandry Minee Elisabeth tamin’ny volana Septambra 2006 ka nilaza hoe « manomeza tany izay tsy misy ady hianareo mpiandry fa maika ny Tompo ».
Nanoina izany antso izany i Pastora Josefa Petera, ka nanome ny tany lovany mirefy 1,5 ha mba hanorenana ny Toby ka dia velona indray ny fanantenana ny amin’ny hiorenan’ny Toby.
Io tany io dia eo amoron’ny lalana mankany Maroakalo eo akaikin’ny bassin pipeline AES andalovan’ny rano avy any Marolinta (Reservoir station).
Talohan’izay, dia efa nisy mpiandry naminany ny toerana tokony hisy io Toby io : tamin’izay indrindra, raha nivory ny Mpiandry tamin’ny fivoriam-piangonana tao Tsihombe, ny mpiandry Abela Fikogna avy ao Faux Cap dia nahita fahitana tamin’ny alina ka nandre antso avo hoe « SALIO SALIO SALIO »
Nony maraina dia nifanontany izy ireo izay mety ho hevitr’izany, ka nisy nilaza fa io dia anaran-tany eo anelanelan’ny Sanamena sy Maroakalo izay efa maty ny tompony nefa tsy nanan-janaka mpandova izy.
Noho izany dia nifanaiky ny mpiandry rehetra fa mbola hivavaka mafy ny ampitson’io hahalalàna izay mety hatao.
Nony alina dia nahita fahitana koa ny mpiandry Sambo Bernard avy ao Imongy ka nahita « trano fiangonana miorina eo, mitodika miantsinanana sy miankandrefana ; nefa feno tora-bato tsy ifankahitana eo ».
Nangatahina tamin’io fotoana io koa izay tokony ho anaran’io Toby io, ka lany tamin’ny latsa-bato ny hoe « SALEMA ».
Marihina fa ny tany 1,5ha nomen’i Pastora Josefa Petera voalaza tery aloha, dia mifanila amin’io tany Salio io ; ary dia tonga teny tokoa ny mpiandry maro notarihin’ny mpitondra Fileovana Pastora Lahinirina Joseph avy ao Faux Cap, tamin’ny 25 Septambra 2006, ka nandray ny taratasy fanolorana ilay tany sy nikapa ny hazo sasany mba hahazoana toera-malalaka satria ala io faritra io ; ka dia nanorina ny vato fehizoron’ny tranon’i Mpiandry Minee Elisabeth teo izy ireo.
Tamin’ireo hazo ireo dia nisy hazo anankiray tsy fahita firy izay antsoina hoe « mosesy » izay navela eo ho famantarana (repère).
Tamin’io fotoana io ihany , dia nisy marary demoniaka tonga nanatona teny ka nomen’ny Tompo fahasitranana avy hatrany.
Notairin’ny Fanahy koa i Pastora Manjomana Sylvain izay efa nahazo didy hanorina ny Toby tamin’ny volana Novambra 1988 teny Faradofay teo anatrehan’i Pastora isany Rempolia Soandro Manoasy, Zakaria Tsivoery, Marijaona Tsifolahy hoe : « Aoreno Pastora Sylvain ny Toby ».
Tamin’io fotoana io dia niala tsiny i Pastora Manjomana fa tsy tompon’ny tany ka miandry izay sitrapon’ireo olona tompon-tany ireo.
Ankehitriny anefa dia efa azo soa aman-tsara ilay tany, ka dia nahatsapa izy fa tsy misy fialana intsony ; dia niainga izy mivady ny 16 Oktobra 2006 tolakandro, nifindra monina ho ao Salema.
Rehefa tonga tao izy mivady dia nanao trano honenana sy tanimboly ary gaga fa nahazo fahasitranana tamin’ny aretina izay nitaiza azy vokatry ny fahanterana Ramatoa ; koa dia sitrana soa aman-tsara tamin’ny aretina tosi-dra miakatra izay nanjo azy hatramin’ny ela , koa dia najanony avy ireo fanafody izay nasain’ny Dokotera hohaniny mandra-pahafaty.
Nisy koa zazavavy anankiray izay narary nentina tao, izay noraisin’izy mivady, ka tao anatin’ny telo andro monja dia nomen’i Jesosy fahasitranana razazavavy.
Toy izany koa ity Ramatoa iray izay efa mpiandry saingy nihamangatsiaka, koa dia niverenan’ny fanahy ratsy indray ; dia nahazo famindrampo koa izy ka sitrana tao anatin’ny telo andro ihany koa.
Iray volana taty aoriana dia tonga tao Salema i Pastora Josefa Petera, niaraka tamin’ny tranony ka nonina tao koa.
Iray volana taorian’io indray dia tonga koa Ramatoa Filao vadiny, ary sahabo iray volana taorin’izay dia tonga i mpiandry Soriee nanoina ny antson’ny Fanahy Masina tao am-pony.
Tamin’io taona 2007 io ihany koa dia nanorina trano ao Salema ny Raiamandrenin’ny Toby dia Mpiandry Damy Zakaria mivady. Mbola izy no mpiandraikitra Toby hatramin’izao satria tsy azo soloina ny raiamandrenin’ny Toby raha tsy maty.
Nohetsehin’ny Fanahy ihany koa ny Fiangonana Gloria Dei any Anapolis Etazonia izay tandreman’ i Pastora Hoda Zavandro, Pastora FLM miasa any, tonga taty Tsihombe izy ireo tamin’ny 24 Jona 2007 ka nanorina trano sy siniben-drano ao Salema.
Marihina fa mivoha midanadana ny vavahadin’i Salema ho an’izay rehetra te-hiditra ao tsy ankanavaka. Koa na dia teratany vahiny aza ireto farany ireto dia afaka nanorina trano ao. Tsy iza izany fa Elaine Conover, Kelly Conover, Cheryl Conover, Diana Gumas, Amy Hemstad ary Magneva Conover Zavandro.
Avy lavitra tokoa izy ireo nefa dia tsy nitandro hasasarana na fotoana na harena, fa ny fitiavan’i Kristy no manery azy.
Ramatoa Eleonore kosa dia tsy tonga, fa vola no nalefany izay nanaovana ny siniben-drano. Toy izany koa i George izay na dia nikasa mafy aza dia tsy afaka noho ny halaviran-tany.
Nanome hery lehibe ireo mpamaky lay ao Salema ity famangiana tamin’ny taona 2007 ity, toy izany koa ilay famangiana lehibe tamin’ny 31 janoary 2010 izay nahavory zanaka am-pielezana maro.
Tsara ny manamarika fa efa nahazo alalana ho Fiangonana izao i Salema. Efa voavaha koa ny olana ara-drano satria dia novohain’ny orin’asa AES ilay siniben-drano eo amoron’ny arabe manoloana an’i Salema mba ho azo akàna rano.
Toy izany koa ny jiro, izay efa nahazoana groupe électrogène. Ao ihany koa ny fanamafisam-peo “mégaphone" sy ny sisa tsy voatanisa fanomezana avy amin'ny malalatanana.
Misy fikasana ao dia ny hanorina tranom-boky sy trano Fiangonana lehibe, izay mbola hampahalalaina eto ihany ny fizotrany.
Eto am-pamaranana dia tsara ny mametraka amin’ny Tompo ny mba hanehoany famindram-po lehibe ka hanomezany izay rehetra ilaina hanatanterahana ity asa lehibe ity sy toerana vaovao izay azo anovozana ny fahasoavany tsy hita lany.
![]()
|
![]()
|
![]()
|